22 févr. 2008

Black & Red



Vita soa aman-tsara ny Fiarahaban-taonan'ny Faritra izay natao tao @ SELECT Hotel. Nahafinaritra satria samy nanao akanjo MAINTY sy MENA daholo ny rehetra. Sady nofaranana tamin'ny fihinana Katsaka au Coco sy ny Karaoke Party ny lanonana.

Saika hadino, lany ho Miss Faritra-3 tamin'io fotoana io i Mireille (Tsiloko Mailaka) fa tsy apetratsika ato ny sarin'izy 3 mirahalahy nirotsaka Miss.
Mankasitraka sy mankatelina eeee !

Tadidio ireto fotoanantsika manaraka ireto :

  • Sport Mini-foot Faritany ho an'ny Sampana Mavo ( ny avy ao @ 267e Ankazomanga no Champion ho an'ny Faritra-3 izay hisolotena antsika) ... Amin'ny manaraka no apetrakay ato ny sary sy ny vokatra momba ny Lalao mini foot faritra-3
  • Final Basket Faritra ho an'ny Sampana Maitso, izay atao amin'ny 8 Mars
  • Formation LS ho an'ny Sampana Maitso ny 15-16 Mars
  • Lasi-paritany Sampana Mena ny 7-9 Mars.
  • Camp de Formation (Fanomanana sy Fanaterana) ny 25-30 Mars ( alefa manaraka eo ny andinindiny )

Zay aloha fa amin'ny manaraka indray ! Sady rahariva isika mety mbola hihaona any EEM Ambohimamory amin'ny famaranana ny faha-100 taona ny Skotisma (androany 22 Fev 2008 io daty io an !)

4 févr. 2008

Mini-Foot Sampana Mavo

Ny lalao Mini-foot Sampana Mavo eo anivon'ny faritra-3 dia ho tanterahina ny Asabotsy 09 Fevrier 2008 zao.
Ny fotoana fanokafana dia amin'ny 9 ora maraina eo amin'ny tany mena malalaka eny amin'ny route digue (avant sampanana mankany Ambohitrimanjaka).

Samy mitondra :
- tenue de sport ny andiany tsirairay
- vola 1500 Ariary
- baolina
- rano fisotro isaky ny ankizy
- aro orana

Ny Filoha Mavo

25 janv. 2008

Black & Red Afternoon 2008

Fifaliana ho antsika Faritra faha-3 ny manasa an’ise hanatrika sy hanome voninahitra
ny fihaonantsika sy fifampiarahabana tratry ny asaramanitra 2008
izay ho tanterahina ny

ASABOTSY 16 FEBROARY 2008
manomboka amin’ny 2 ora 30 mn
ao amin’ny SELECT HOTEL Analakely.
Fandraisana anjara :
1000 Ariary
ranomboakazo iray isan’olona

Fanamiana :
Ankanjo mainty sy mena