Tanana havia,
Efa manomboka manakaiky zao ny Krismasy sy ny Faran'ny taona. Ho antsika izay mikasa hanao fivoahana mandrintra io vanim-potoana io, dia tokony efa hametraka ny taratasy rehetra dieny izao any amin'ireo filoha isan-tsapana any.
Ho an'ny Fivondronana izay mikarakara Véillée de Noel dia angatahana mba hanome ny daty sy ora ary ny toerana hanaovana an'izany any amin'ny Filoha (na alefa ao amin'ny lapyzo@yahoo.fr)
Mankasitraka ary homana tsara ny Krismasy ho an'ireo boy-kelintsika ireo !
9 déc. 2007
12 nov. 2007
Fifaninana FATORY TSARA
Ny Fivondronana 17e Ankadifotsy (http://xvii.scoutblog.org/) dia mikarakara fifaninanana VONA ho an'ny Tily sy Mpanazava rehetra. Ny fivondronana tsirairay izay handray anjara dia afaka mandefa solotena iray isaky ny Loko (mavo, maitso, mena). Hisy loka ho zaraina ho an'izay mendrika.
Fotoana : Alahady hariva 18 Novambra 2007
Toerana : KTR Ankadifotsy
Fotoana : Alahady hariva 18 Novambra 2007
Toerana : KTR Ankadifotsy
Hisy koa Projection de Film mikasika ny vona amin'io fotoana io.Manentana antsika ho tonga maro sady hanotrona ny namantsika ary koa hanamafy ny traik'efa momba ny Vona sy ny fampisana azy.
22 oct. 2007
Fanokafana taom-pitaizana Tana Afovoany
Tanteraka ny Alahady 21 Okotobra tao amin'ny Chap-Mi ny fanokafana ny taom-pitaizana MTEM Antananarivo afovoany, natolotra tao koa ireo ekipa vaovao eo anivon'ny Faritany sy ny Faritra.
Toy izao ny filoha mpiara-dia ao amin'ny Faritra faha-3 :
- Filoha Faritra : Lapy Mizaha
- Filoha Mavo : Anja miaraka @ Nounous
- Filoha Maitso : Tratraka sy Akitra
- Filoha Mena : Aina miaraka @ Mamisoa
Vaovao :
- Aterina any amin'ireo Filoha-tsapana tsirairay ny Fandaharana Herintaona sy Telovolana-I alohan'ny faran'ny volana Oktobra.
- Mivory ao Antsahamanitra amin'ny Alarobia 24 Oktobra @ 4 ora ao Antsahamanitra ireo izay hamonjy RAVINALA rehetra.
- Lasy Fanomanana sy Fanaterana : Depart Sabotsy 27 Oktobra devant Instat @ 7h30 maraina, saran-dalana 10.000 Fmg. Tsy misy miova ireo vaovao mombamomba ny lasy voalaza tany aloha.

16 sept. 2007
Tatitra fivoriambe
Nahafinaritra fa ny Faritra faha-3 no nahatonga MP betsaka indrindra (atsasa-manila ny mpivory). Nahitana solo-tena avokoa ny Fivondronana tsirairay teo @ faritra afa-tsy fivondronana 2 ihany.
Daty tsara tadidiana @ volana Octobre:
- Asabotsy 13 Octobre : Fanokafana ny taom-pitaizana MTEM, 2h 30, Antsahamanitra
- Alahady 14 Octobre : Fivorian'ny Faritra-3, @ 2h 30, ao @ FJKM Ambondrona (29è)
- Alahady 21 Octobre : Fanokafana ny taom-pitaizana Faritany Tana Afovoany, 2h 30, FJKM Salema Vaovao 67Ha
12 sept. 2007
Fivoriambe MTEM Faritany Afovoany
Daty : 15-16 Sept 2007
Toerana : EPP Voabola Ampandrana (En face Bel-air)
Fotoana : 2h tolakandro
Hafatra :
- Mitondra ny tatitra isaky ny Fivondronana ho an'ny faritra-3
- Vola 2000 Ariary sy sakafo hariva masaka
- Herim-po sy herin-tsaina vaovao hiatrika ny taom-pitaizana vaovao.
Mankasitraka !

6 août 2007
5 août 2007
Tonga soa
Tanana havia,
Miarahaba an'ise tonga soa eto amin'ny serasera-pifandraisana eo anivon'ny Faritra-3 ao amin'ny Faritany Tily Antananarivo afovoany.
Ity sehatra ity dia natokana ho fifampizarana sy fifampitana vaovao eo anivon'ny Faritra sy ny Faritany mandritra ny taom-pitaizana 2007/2008.
Mankasitraka.
Ny Filoha

Inscription à :
Articles (Atom)