
Vita soa aman-tsara ny Fiarahaban-taonan'ny Faritra izay natao tao @ SELECT Hotel. Nahafinaritra satria samy nanao akanjo MAINTY sy MENA daholo ny rehetra. Sady nofaranana tamin'ny fihinana Katsaka au Coco sy ny Karaoke Party ny lanonana.
Saika hadino, lany ho Miss Faritra-3 tamin'io fotoana io i Mireille (Tsiloko Mailaka) fa tsy apetratsika ato ny sarin'izy 3 mirahalahy nirotsaka Miss.
Mankasitraka sy mankatelina eeee !
Tadidio ireto fotoanantsika manaraka ireto :
- Sport Mini-foot Faritany ho an'ny Sampana Mavo ( ny avy ao @ 267e Ankazomanga no Champion ho an'ny Faritra-3 izay hisolotena antsika) ... Amin'ny manaraka no apetrakay ato ny sary sy ny vokatra momba ny Lalao mini foot faritra-3
- Final Basket Faritra ho an'ny Sampana Maitso, izay atao amin'ny 8 Mars
- Formation LS ho an'ny Sampana Maitso ny 15-16 Mars
- Lasi-paritany Sampana Mena ny 7-9 Mars.
- Camp de Formation (Fanomanana sy Fanaterana) ny 25-30 Mars ( alefa manaraka eo ny andinindiny )
Zay aloha fa amin'ny manaraka indray ! Sady rahariva isika mety mbola hihaona any EEM Ambohimamory amin'ny famaranana ny faha-100 taona ny Skotisma (androany 22 Fev 2008 io daty io an !)
Hisy koa Projection de Film mikasika ny vona amin'io fotoana io.